Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

CJSOI – Volley ball: tavela noho ny “Visa” tsy azo ny mpilalao malagasy

CJSOI – Volley ball: tavela noho ny “Visa” tsy azo ny mpilalao malagasy

Amin’ny manaraka indray. Tsy afaka hiatrika ny lalaon’ny tanora aty amin’ny ranomasimbe Indianina (CJSOI), tanterahina atsy La Réunion, ny ekipa zazavavy U18, ho an’ny taranja volley ball (FMVB). “Efa vita avokoa ny antontan-taratasy rehetra sy ny fahazoan-dalana (Visa) handehanana ary nalefa any amin’ny konsilà eny Ankorondrano. Nomeny fotoana ny 4 aogositra izahay nefa efa tsy mety intsony satria hifarana ny 5 aogositra ny lalao rehetra”, hoy ny filohan’ny federasion’ny taranja volley ball, Randriamandimbisoa Jocelyn, omaly. Nambarany fa efa natao avokoa ny dingana rehetra sy ny fikarohana vahaolana, tonga hatramin’ny fanelanelanana samihafa, saingy tsy nahomby izany. “Tsy afaka manome visa, mialoha ny 4 aogositra izy ireo ary tsy afa-manoatra mihitsy…”, hoy ihany izy.

Na izany aza anefa, tsy kivy ny eo anivon’ny federasiona fa mitohy hatrany ny fanomanana ireo lalao iraisam-pirenena. “Anisan’ny miandry anay izao ny lalaon’ny tanora afrikanina, U18 hatao any Alzeria amin’ny taona 2018…”, hoy izy. Nanteriny fa manana mpilalao mahay sy tsara isika hiatrika izany, araka ny nambaran’ireo manampahaizana nampiofana azy ireo.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.