Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ralambomahay Toavina: “Henatra ny tsy fijoroan’ny lehiben’ny mpanohitra”

Ralambomahay Toavina: “Henatra ny tsy fijoroan’ny lehiben’ny mpanohitra”

“Henatra ho an’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) sy ny fahefana mpanatanteraka izao tsy fijoroan’ny lehiben’ny mpanohitra nandritra ny fitondran-dry zareo izao.”

Izay ny fanehoan-kevitry ny avy amin’ny mpanohitra sady mpandinika ara-politika, Ralambomahay Toavina, nanontaniana an-telefaonina, omaly, momba ny tsy fijoroan’ny lehiben’ny mpanohitra eny anivon’ny Antenimierampirenena.

Henatra ho an’ny Malagasy izany, fa tsy sahy mijoro ho mpanohitra. Henatra ho an’ireo mitsangana ho mpanohitra ihany koa ny tsy fijoroan’ny lehiben’ny mpanohitra, tsy sahy mampihatra ny zony.

Misy ny sakana

Ny minisiteran’ny Atitany no anisan’ny sakana lehibe, fa tsy mety hamoaka ny lisitr’ireo antoko politika tena mpanohitra, araka ny fanazavany. Sakana koa ny HCC, satria milaza fa tsy ampy ny lalàna, ny hitsivolana…

“Sakana fahatelo izahay mpanohitra: telo na efa-taona izay, mifampiolonolona tsy sahy sy tsy mety mivondrona fa manao ory hava-manana. Hany ka tsy mety ho voapetraka ny lehiben’ny mpanohitra”, hoy izy.

Misy milaza fa mila didim-panjakana fampiharana ny lalàna momba ny mpanohitra. Tsy mila izany io lalàna io, fa mazava tsara. Fantatra hoe: iza no mpanohitra, ahoana ny fanendrena ny lehiben’ny mpanohitra? Fantatra amin’izany koa ny hoe: raha miady ny mpanohitra, inona ny vahaolana omen’ny lalàna? Ary fantatra hoe: ahoana ny fanonganana ny lehiben’ny mpanohitra?

Raha lazaina fa mila didim-panjakana fampiharana ny lalàna. Mazava fa ny governemanta no hanao izany. Tsy hisy governemanta hamoaka didim-panjakana mba hahazoana manohitra azy.

Raha ambara indray hoe tsy ampy ny lalàna: tsy misy Antenimiera toy ny antsika io, izay tsy misy na depiote iray aza mpanohitra, hanao lalàna mba hahazoana manohitra azy, raha ny fanazavany ihany.

R. Nd.

 

Les commentaires sont fermées.