Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Morondava: teratany vahiny niharan’ny herisetra

Morondava: teratany vahiny niharan’ny herisetra

Teratany frantsay iray niharan’ny herisetra tao Morondava, ny faran’ny herinandro teo. Araka ny fampitam-baovao voaray, vahiny mpizahatany tonga hitsidika ny hakanton’ny tanàna ao an-drenivohitry ny faritra Menabe ity niharan’ny herisetra ity. Nivantana tao amin’ny hotely iray ao Nosy Kely izy ka lasa nitsangantsangana tao amin’ny Nosy kely iray ao Betania. Tao izy no niharan’ny herisetra tamin’ny alalan’ny fanendahana. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny fitaovana tany aminy. Torana tsy nahatsiaro tena teo amin’ny toram-pasika ao Betania Morondava kosa izy. Olona tsara sitrapo no niantra azy ka nitondra azy tao amin’ny sefom-pokontany ao an-toerana sady nanatitra azy tany amin’ny trano fandraisam-bahiny nipetrahany. Avotra soa aman-tsara ihany izy rehefa nahazo fitsaboana sahaza azy teny amin’ny hopitaly. Nandao an’i Morondava ny alahady teo kosa izy. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny polisy momba ity raharaha ity.

Atahorana hanimba ny lazan’ny tanànan’i Menabe indray ny herisetra mihatra amin’ny teratany vahiny tonga mijery ny hakanton’iny faritra iny.

J.C

Les commentaires sont fermées.