Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lapan’i Tsimbazaza: nampihetsi-po ny maro ny veloma ho an-dRakotoarivelo Mamy

Lapan’i Tsimbazaza: nampihetsi-po ny maro ny veloma ho an-dRakotoarivelo Mamy

Voalevina, omaly eny Talata Volonondry ny Rakotoarivelo Mamy. Nialoha izany, nampandalovina tetsy amin’ny lapan’ny Antenimieram-pirenena, toerana niasany ny nofo mangatsiakany.

Marobe ireo tonga niatrika izany ary tohina sy nalahelo avokoa. Teo ireo mpiasa niara-niasa taminy teny amin’ny lapan’i Tsimbazaza. Ireo olom-boafidy, ahitana depiote sy loholona, ny tompon’andraikitra isan-tokony na koa ny olon-tsotra, samy tonga niatrika izao fanaovam-beloma farany ity mpanao politika ity izao avokoa. Nanganohano sy latsa-dranomaso ny sasany tamin’izy ireo ary tao anaty alahelo tanteraka. Notanisain’ny depiote  Tim, voafidy etsy amin’ny boriborintany III, Rajohnson Mamy tamin’izany ny lalana nodiaviny ny sehatrasa nahitana azy ary koa ireo andraikitra noraisiny teto amin’ny firenena. Teo koa ny nanaovany politika, nandritra ny taona maro.

Nandala hatrany ny fihavanana

Nanamafy izany ary nisolo tena ny fitondram-panjakana ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, Rakotomamonjy Jean Max. “Olomangan’ny firenena izy… Nandala ny fihavanana ary tia fifanakalozan-kevitra…Hita taratra izany tamin’ireny famahana ny krizy teto ireny”, hoy izy.  Anisan’ny tazana teny an-toerana ny mpanao politika, toa an-dRajaonarivelo Pierrot, ny lehiben’ny andrimpanjakana, nahitana ny filohan’ny Antenimieran-doholona, Rakotomanana Honoré. Taorian’izany, nentina natao veloma farany  teny amin’ny FLM Ambatovinaky ny nofo mangatsikany.  Efa vory lanona niandry teny avokoa ny fianakaviamben’ny antoko Tim, notarihin’ny filoha teo aloha, Ravalomanan Marc mivady.

Synèse R. 

Les commentaires sont fermées.