
Nandray lalao enina Ambatondrazaka teo amin’ny fiadiana ny Amboaran’i Madagasikara “Telma coupe 2017”, ny 29 sy 30 jolay teo. Lavon’ny Anciens Joueurs d’Ambatondrazaka (AJA), tamin’ny isa tery 3 no ho 2, ny Espoir-n’i Tanambe Amparafaravola. Samy namoaka endri-dalao nahaliana ny roa tonta.
Lavon’ny tompon-tanàna, FC Abattoir, tamin’ny isa tokana 1 no ho 0 kosa ny Jet-Mada Analamanga. Tany amin’ny segaondra farany no nidiran’io baolina tokana io. Tamin’io isa io ihany koa ny nandresen’ny AS Fortior Toamasina ny AS Saint-Pierre Bejofo Alaotra. Tsy tonga ny Voromaherin’i Brickaville, ka nandresy tsy niady ny ZA Ambandrika Alaotra. Tsy nitranga koa ny Talenta Akademia Analamanga, ka tafakatra avy hatrany ny 3FB Ambatondrazaka. « Tsy nisy olana na ara-taratasy na teny ambony kianja », hoy ny kaomiseran’ny lalao, Ramantsoa Jeeannot Yves, niantoka ny fizotran’ ireo lalao ireo. Mbola mila ezaka ny eo amin’ny famonoam-baolina, hoy ny teknisianin’ny baolina kitra eo anivon’ny ligy.
. Rarivo
Les commentaires sont fermées.