
Tontosa ny alahady 29 jolay lasa teo, tao amin’ny kianja mitafon’ny CRJS Toamasina, ny famaranana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’ny faritra Atsinanana, eo amin’ny taranja Kick-boxing sy Full-contact. Miisa 14 ny katrokady, ka fito ho an’ ireo ao amin’ny sokajy “A” ary fito hafa kosa ho an’ny sokajy “B”. Midika izany fa hanana solontena hiatrika ny fiadiana izay ho tompondakan’i Madagasikara, hatao any Antananarivo, ny volana septambra ho avy izao, raha tsy misy ny fiovana, ny ligin’Atsinanana, ary vonona ny handrombaka medaly volamena, betsaka indrindra. “Raha ny fahitanay azy aloha, vonona sy ampy traikefa ny atletantsika avy aty amin’ny faritra izay efa mahazatra an’ i Toamasina rahateo izany”, hoy i Mananjara Jaimes Antonio, filohan’ny ligy Atsinanana. Fantatra nandritra ny lahatenin’ny filohan’ny ligy, fa handray fifaninanana iraisam-pirenena, amin’ny taranja kick boxing sy Full contact, i Toamasina ny volana novambra ho avy izao, ka tsy maintsy atao izay hanatsarana ny kalitaon’ny ady, eto amin’ny faritra Atsinanana.
Sajo
Les commentaires sont fermées.