Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hiakatra fitsarana indray Ramaroson Alain

Hiakatra fitsarana indray Ramaroson Alain

Tsy mbola mifarana eo. Hiverina hiakatra fitsarana etsy Anosy indray,  anio, Ramaroson Alain. Hiompana amin’ny rarahahan’ny tany eny Ambohimangakely indray izao hiakarany eny Anosy izao. Mbola ilay resaka hosoka ahina mety ho nataony ihany koa ity indray mandeha ity.

Tsiahivina fa efa nahazoany sazy mihatra herintaona an-tranomaizina sy onitra 950 tapitrisa  Ar ny momba ny raharahan’ny tany “Kianja Ramaroson”, eny Andoharanofotsy. Na izany aza, tsy afa-po tamin’io didim-pitsarana io ny mpisolovava ka nampiakatra fitsarana ambony. Etsy andaniny, tokony ho vita amin’izao fiandohan’ny volana izao ny saziny herintaona satria volana aogositra tahaka izao ny nidirany am-ponja vonjimaika (MD) teny Antanimora.

Araka izany, andrasana indray ny tohin’ny raharaha eny Ambohimangakely io.

Synèse R. 

Les commentaires sont fermées.