Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo,resaky ny mpitsimpona akotry: afetsifetsena sa tena izy?

Arakara-javatra ny fanadinoana. Efa tsy tsaroan’ny maro intsony fa roapolo taona lasa tsy nisy firy ny fiara atokana ho fitondrana marary atao hoe “ambulance”. Na tsy nisy aza fitsipika voasoratra dia noho ny fahaiza-miaina teo amin’ny fiarahamonina dia nipetraka tsy an-kiteniteny ny lamina. Rehefa misy fiara mampaneno anjomara fanairana fa tsy misy fitsaharana dia samy maka sisiny daholo ny fiara sasany mba hanome làlana ilay fiara mitondra marary. Misy angamba ankehitriny mitady hanadino izany fomba fifanajana izany. Ao ireo mihevitra fa efa eo ireo ambulance. Ny sasany kosa tsy te hahalala intsony fa leon’ny fitomboan’isan’ireo mpanararaotra misisika tsy andrariny eo amin’ny fifamoivoizana efa manahirana. Miharitra hatrany ny fifampatokisana. Samy mandeha, samy manao hafetsifetsena noho ny fitombon’ny tranga mampiseho fanjakazakan’ny manam-pahefana. Misy hono ireo olon-tsotra mampiasa klaxon sady mampirehitra ny jiro mipipika manambara fahamaizana nefa tsy mitondra marary fa manao fitapitaka fotsiny. Toy izany koa ny fahamaroan’ny fiara matanjaka mamirapiratra matetika tsy mataho-dalana manara-damaody. Tsy fantatra izay ao anatiny na minisitra na sandoka. Na tena izy aza, tsy misy lalàna manome azy ireny fahefana hanilikilika ny mpampiasa arabe sasany ka hampitampifipify ny olona mba hahafahany mandingana ny rehetra. Araky ny tazana, miitatra isan’andro ny fanaovana tsinontsinona ny mponina amin’ny fanambonibonian-tena toy izany ary maro amin’izy ireo no  mamoromporona ny fomba entiny hisavasavany ny làlany. Tsy mitovy daholo fa samy manao izay tiany. Na avy amin’izany fotsiny aza dia afaka alaina taratra ny toe-tsaina manjaka ao amin’ny fitantanana sy ny toe-tsain’ny mpikambana tsirairay. Na ny fifehezana ny rehetra ao aminy tsy handikan’izy ireo lalàna aza moa no tsy efan’ny mpitarika, aiza no anantenana ny fahaizany handamina ny fitantanana ? Raha ireo tompom-pahefana ambony aza samy manao ny lalàny tsy ara-dalàna, ahoana moa no iheverana ny fisin’ny lalàna vanona na hijejojejoana amin’ny filazana fa fanjakana tan-dalàna no mifehy eto Madagasikara. Izay fahafahana samy anao ny lalàny noho ny fiandraiketana fahefana izay no mitondra any amin’ ny fanjakan’ny fampiasana jadona.

Léo Raz

Les commentaires sont fermées.