Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hatsikana: nodimandry i Zozo

Hatsikana: nodimandry i Zozo

Nodimandry, ny alahady 30 jolay teo tamin’ny 12 ora sy 45 mn, Raveloson Georges. 69 taona i Georges Ravel izao nandao ny sehatra izao. Io ny anarana nahafantarana azy eo amin’ny tontolon’ny hira. I Zozo kosa rehefa nilalao hatsikana tao amin’ny tarika Dadavy izy nandritra ny 40 taona mahery. Efa nilalao sarimihetsika ihany koa i Zozo ka i Kakaboy sy i Kely fa Dada ny anarana nentiny tamin’izany. Rakotry ny hafaliana hatrany ny toerana rehetra nahitana azy.

Ny alarobia 2 aogositra izao, hoentina hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ao amin’ny FJKM Atsimotsena alohan’ny hametrahana azy ao amin’ny fasan-drazany ao Andobo Tsarafara eny Sabotsy Namehana ny razana.

Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana manontolo sy ny tontolon’ny kolontsaina malagasy ny gazety Taratra.

Les commentaires sont fermées.