Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fampivelarana ny kanto: hanofana ireo ho mpampianatra ny Zanabaliha

Fampivelarana ny kanto: hanofana ireo ho mpampianatra ny Zanabaliha

Anisan’ny sehatrasa ilofosan’ny Zanabaliha hatramin’izay nijoroany ny fampivelarana ny zavakanto sy ny kolontsaina malagasy. « Maro ireo asa efa vita. Mbola maro koa anefa ny miandry »,  hoy ny filohan’ity fikambanana ity. Iray amin’ireny ny fanofanana ireo ho mpampianatra valiha miaraka amin’ny solfezy. « Na efa maro aza ny mpianatra nampianarina teto anivon’ny Zanabaliha sy tany amin’ny toeran-kafa, tsy mbola namoaka mpampianatra mihitsy izahay. Io ny lesoka hatramin’izay ka mila harenina », hoy ny tompon’andraikitry ny fanofanana eo anivon’ny foibe fampianarana sy fikarohana momba ny mozika « Valiha academie », eo ambany fitantanan’ny Zanabaliha. Raha ny fanazavana nomeny ihany, « anisan’ny zava-dehibe amin’ny fampivelarana ny kolontsaina malagasy ny fananana mpampianatra tsara ofana. Noho izany, ankoatra ny fahaiza-mifehy ny solfezy ampiharina amin’ny fitendrena valiha, hisy taranja hafa ihany koa hianaran’ireo hiofana ho mpampianatra.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.