Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

CCI Analanjirofo: voafidy ny filoha vaovao

CCI Analanjirofo: voafidy ny filoha vaovao

Tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy, ny zoma 28 jolay teo, tany Fenoarivo Atsinanana, ny mpikambana vaovao ao anatin’ny biraon’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria (CCI), faritra Analanjirofo. Lany ho filoha mitarika azy mandritra ny efa-taona, Rajaonarison Pierre, taorian’ny fifidianana natao ny 6 avrily lasa teo. Nitarika ny lanonana tany an-toerana ny minisitry ny Varotra sy ny fanjifana, Tazafy Armand.

Nanolotra azy ho kandidà ny Vondron’ny fampiroboroboana ny orinasa eto Toamasina (Geptoa). Mampiahiahy ny sasany ity nahavoafidy azy ity, araka izany, satria anisan’ny manohitra ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina ity vondrona ity. Faharoa ny lafiny politika satria mpikambana ao anatin’ny antoko MTS koa ny tenany. Ho avy tokoa mantsy ny fifidianana amin’ny 2018, ka sao variana amin’ny lafiny politika na ny antoko misy azy izy, fa tsy hifantoka amin’ny fampiroboroboana ny fandraharahana ao amin’ny faritra Analanjirofo. Sao sanatria, hitohy koa ny fanondranana harena an-tsokosoko mankany ivelany, araka ny fanehoan-kevitr’ireo sendra ny mpanao gazety.

Sajo

Les commentaires sont fermées.