
Rakoto Rasamoelijaona Kevin no nandrombaka ny fandresena ka voahosotra ho tompondakan’ny ligin’Analamanga, eo amin’ny basket-ball virtuel na ny basikety lalaovina amin’ny solosaina. Tontosa ny alahady lasa teo, teny amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, ity andiany voalohany ity.
Resin’i Kevin, teo amin’ny famaranana, Ramiaramanana Hariss. Tamin’ny isa 30 no ho 23, nibatan’i Kevin ny fandresena. Niady ny fihaonan’izy mirahalahy ary nahaliana ireo mpanaraka ny nijery ny lalao. Toy ireny mijery basikety tena izy ireny mihitsy, raha ny filazan’ireo mpanatrika. Samy havanana sy kinga amin’ny fanindriana ireo bokotra, mamindramindra ireo mpilalao sy ny fandefasana ny baolina. 10 mn inefatra miditra ny faharetan’ny lalao tamin’ity famaranana ity. Nifanakaiky hatrany ny isa, tamin’ireo tapa-potoana efatra ireo saingy efa tany amin’ny 5 mn tsy hifaranan’ny fotoana vao afaka nitsoaka i Kevin.
Fahombiazana, ity andiany voalohany ity, izay irian’ny rehetra ny hisian’ny andiany manaraka. Nanome toky ny mpitantana eo anivon’ny ligin’Analamanga, fa tsy maintsy hisy ny lalao manaraka, ary hitarina amin’ny toerana lehibe kokoa. Ankoatra izay, hampiana ihany koa ny fitaovana sy ny masinina hifaninanana.
Torcelin
Les commentaires sont fermées.