Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Bakalorea teknika: nasiana “PV de fraude” isaky ny efitrano fanadinana

Bakalorea teknika: nasiana “PV de fraude” isaky ny efitrano fanadinana

Hitohy anio hatramin’ny alakamisy ny bakalorea teknika manerana ny foibem-panadinana eran’ny Nosy. Nitsidika ny foibem-panadinana teny amin’ny lycée professionnel Ampefiloha (LTC teo aloha) ny minisitry ny Fampianarana ambony, Rasoazananera Monique, omaly maraina. Nanazava izy fa misy ny fepetra vaovao noraisina amin’ity bakalorea teknika ity. Napetraka isaky ny efitrano fanadinana ny procès verbal pour les fraudes ou autre incident dans la salle d’examen. « Ho an’ny mpiadina sy ny manara-maso ny PV, tsapa fa mitandrina kokoa izy ireo amin’ny fizotry ny fanadinana noho ny fisian’io fepetra vaovao io, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny foibem-panadinana LPAmpefiloha », Razanadrasoa Honorine. Nahatratra 708 ny mpiadina nisoratra anarana, 12 ireo tsy tonga nanatrika tamin’ny fiandohan’ny fanadinana omaly maraina. Sarotsarotra ihany ny taranja natrehana omaly, raha ny filazan’ny mpiadina teo amin’ny économie sy ny mathématiques financières. 9 836 ny mpiadina manerana ny faritany enina.

Misy « caméra » fanaraha-maso ny efitrano fitsarana

Nitsidika ny oerana fanaovana ny fitsarana kopia tamin’ny laza adina ho an’ny fampianarana ankapobeny sy ny teknika dingana voalohany ny minisitra, omaly ihany, teny Ankatso. Fomba fiasa vaovao hanamorana ny fitsarana ny fisian’ny grille de correction novolavolain’ny mpampianatra nandritra ny fitokana-monina 40 andro. Tonga dia nikatroka ny « commission d’entente » ho an’ny fitsarana. Rehefa vita ny fitsarana, ampidirina avy hatrany amin’ny ordinatera ny naoty rehetra. Misy “camera” fanaraha-maso avokoa ny asa ao amin’ny efitrano manao ireo asa ireo, hoy ny minisitra mba hangarahara sy hadio tanteraka ny voka-panadinana.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.