Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mpivarotra sy mpifoka rongony: 15 lahy indray voasambotry ny polisy

Mpivarotra sy mpifoka rongony: 15 lahy indray voasambotry ny polisy

Noraisim-potsiny ireo lehilahy miisa 15 voarohirohy ho mpivarotra sy mpifoka rongony tratran’ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina teny Manarintsoa sy Anosibe, afakomaly…

Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina Anosy amin’ny famongorana ireo mpidoroka sy mpivarotra rongony. Nanao bemidina tampoka teny amin’ny faritra mafampana amin’ny fiparitahan’ny rongony, ny alakamisy 27 jolay 2017 ny polisy. Isan’ireo toerana nidinan’izy ireo tampoka ny eny Manarintsoa, IVO Antohomadinika ary Anosibe. Tratra tamin’izany ny lehilahy miisa 15. Nisy tamin’ireo no voasambotra teo am-pifohana rongony teo amin’ny lakandranon’Andriantany, teo amin’ny toerana antsoina hoe Vorodamba. Ny sasany kosa tratran’ny polisy teny amin’ny IVO Antohomadinika. Nahatrarana rongony marobe tany amin’izy ireo nandritra ny fisavana nataon’ny polisy. Ankoatra ireo mpanao trafika, mpividy sy mpifoka avokoa ny ankamaroany. Avy any amin’ny faritra Atsimo ireo rongony ireo araka ny fanazavany nandritra ny fanadihadiana nataon’ny polisy. Vidiana 1 hetsy Ar ny iray selofanina lehibe ka tsinjaraina anaty fonosana kely indray.

Hatreto tsy misy politika mazava raisin’ny fanjakana amin’ny hamongorana ity zava-mahadomelina ity. Misy ny ezaka ataon’ny mpitandro filaminana amin’ny fisamborana ireo mpanao trafika, saingy very an-javony ihany izany ezaka izany satria miditra am-ponja izay tratra. Tonga indray ny manaraka, dia toy izay hatrany ny zava-miseho. Efa fantatra hoe any Atsimo ny fiaingan’ireny rongony nefa tsy misy fepetra raisin’ny fanjakana manoloana izany.

J.C

Les commentaires sont fermées.