Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kaominina Ambondro: nihena ny zaza tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo

Kaominina Ambondro: nihena ny zaza tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo

« Voaray an-tanana eo amin’ny Crenas Ambondro, kaominina Ambondro, distrika Ambovombe avokoa ny zaza tratran’ny tsy fanjarian-jakafo mahery vaika, ka tsy voatery alefa any amin’ny Creni Ambovombe », hoy ny fanazavan’ny dokotera Haingosoa Nirina Lalaina, lehiben’ny mpitsabo ao amin’ny CSB II Ambondro. Tao anatin’ny telo volana nisahanany ny CSB II, 10 ny ankizy noraisina an-tanana tao amin’ny CSB ary nihena roa amin’izao fotoana izao. Ny zaza valo volana hatramin’ny 20 volana no tena voan’ny tsy fanjarian-tsakafo. Azo ambara fa nihena ny tsy fanjarian-tsakafo noho ny ezaka amin’ny fanentanana amin’ny fahadiovana sy fisian’ny rano tonga ao amin’ny paompy iraisana. 45 ny fokontany karakarain’ny CSB ary any amin’ny 23 km ny lavitra indrindra. Ny kohoka sy ny sery no aretina mpahazo ny ankizy ao an-toerana amin’ny ankapobeny. Rehefa nahazo rano ny tanàna vokatry ny forage nataon’ny Unicef, afaka nikirakira rano madio ny CSB. Manohana amin’ny famatsiana fanafody sy vaksiny koa ny Unicef. 30 km miala ao Ambovombe ny kaominina Ambondro.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.