Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Frantsa sy i Madagasikara: hiara-kiasa isam-paritra

Frantsa sy i Madagasikara: hiara-kiasa isam-paritra

Hatao eto amintsika ny volana oktobra izao ny atrikasa ho amin’ny fitsinjaram-pahefana iarahana amin’i Frantsa. Tonga eto ho fanomanana izany ny tale jeneraly lefitra frantsay, misahana ny fanatontoloana, Emmanuel Puisais-Jauvin. Niaraka taminy ny  ambasadaoro, Veronique Vouland-Aneini ary noraisin’ny Praiminisitra Mahafaly teny Mahazoarivo, omaly. “Hanetsika ny mpandray anjara frantsay izahay ho amin’ny fiaraha-miasa, indrindra eo amin’ny tontolon’ny fitsinjaram-pahefana frantsay sy malagasy. Hofaritana amin’izany ny ireo sehatrasa ahafahana mampivelatra kokoa ny fiaraha-miasa. Tafiditra ao anatin’izany ny rano madio fisotro sy ny fanadiovana. Ny fambolena ary ny fahaiza-mitantana”, hoy ny vahiny. Nambarany fa miainga amin’ny hetahetan’ny malagasy ny hitondrana ny fanohanana. Tsiahivina fa efa eo am-panomanana ny soridalana sy ny hametrahana ny laharam-pahamehana ho amin’izany fiaraha-miasa isam-paritra izany ny roa tonta, indrindra fa ny ho fandraisantsika ity fihaonana lehibe ity.

Synèse R.   

Les commentaires sont fermées.