Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Carrefour FME Andavamamba: Nahasarika tanora ny tolotrasa nisy

Carrefour FME Andavamamba: Nahasarika tanora ny tolotrasa nisy

Nisokatra omaly ary hitohy, anio, tontolo andro ny Carrefour de la formation, des métiers et de l’emploi atao eny amin’ny Alliance française Andavamamba. Nahasarika olona betsaka toy ny mahazatra rehefa misy tolotrasa sy fanomezana fiofanana ny hetsika ho an’ny andiany voalohany. « Vao ny tapakandro maraina fotsiny, 2 000 ny olona tonga nitsidika ny tranoheva sy ny tolotra marobe », hoy ny mpikarakara ao amin’ny AFT, Ratsimba Heritiana. Nisongadina ny tanora nitady asa, nila torohevitra amin’ny lalam-piofanana hotrandrahiny amin’ny fampianarana ambony.

Tanjon’ny mpikarakara ny carrefour FME ny hampihaona ny tolotra sy ny tinady eo amin’ny fiofanana sy ny asa misy. Mpiray ombon’antoka amin’ny AFT ny orinasa, oniversite tsy miankina sy tantanin’ny fanjakana nahatratra 40. Nisy tamin’ireo toeram-piasana no nanao fifampiresahana mivantana amin’ireo mpitady asa ary nandray ny taratasy fampahafantarana (CV) ny tsirairay. Afaka nanatrika ny famelabelarana momba ny asa ireo liana tamin’izany, hanampiana ny mpitady asa sy hiomanany.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.