Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Anivorano: tovovavy hita faty tao anaty ala

Anivorano: tovovavy hita faty tao anaty ala

 Tovovavy iray 18 taona no hita faty tao anaty kirihitr’ala iray ao Anivorano, fokontany Marofinaritra Vavatenina omaly maraina. Tsy fantatra izay antony nahafaty azy fa araka ny fanazavan’ny ray aman-dreniny, niala tao an-tranony afakomaly antoandro hoe hiandry omby ity tovovavy ity ka tsy hita intsony taorian’izay. Ny fatiny anefa sisa hita ka nahataitra ireo olona teo an-tanàna. Olona sendra nandalo no nahita ny fatiny ka nampilaza tamin’ireo ray aman-dreniny satria fantatr’ireo olona nahita ny razana ny toerana misy azy. Nahitana mangana ny vatany nandritra ny fitsirihana nataon’ny polisy sy ny dokotera nanao fizahana razana. Mbola hita teny amin’ny avokoa ny fitafiana nanaovany. Tsy mbola fantatra mazava, araka izany ny antony nahafaty azy fa aorian’ny fanadihadiana ataon’ny polisy ny hamantarana ny marina rehetra. Efa lasan’ny fianakaviana ny razana taorian’ny fitsirihana nataon’ny polisy.

Sajo sy J.C

Les commentaires sont fermées.