Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“Smile Party”: hanjaka ny feo sy ny jiro

“Smile Party”: hanjaka ny feo sy ny jiro

“Smile Party”, fotoana ifanomezan’ireo tanora, isaky ny vita fanadinana bac. “Smile Party”, hetsika mitondra fivoarana hatrany, isan-taona. Fanamby goavana indray no hapetraky ny “RDJ’s Team” amin’ity andiany ity: fetibe hanjakan’ny feo sy ny kilalaon-jiro.
Efa miatrana etsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina ireo fitaovana raitra sy miavaka, fanamafisam-peo, ravaka ary kilalaon-jiro isan-karazany. “Efa vonona any amin’ny 95% any izahay fa miandry antsika hifety rahariva sisa”, hoy ny nambaran’i Teejay Jerry; omaly.
Mpikosoka kapila 15 no hifandimby hanafana ireo toeram-pandihizana rehetra ao amin’io. Hitarika izany ireo efa teo hatramin’izay andiany 13 izay, toa an’i Jaytaxx sy Dj Denis. Eo koa ireo taty aoriana toa an-dry Dj Kiero, Shinchan, Cyemci, Dj Gova, Sizzla Dj, MPX, Teejay Jerry, Kikoo, Looping, Raerz, Three T, Scotty Raz ary Cool Mix. Ankoatra ireo, hisy koa ny seho hataon’ireo mpanakanto toa an’i Arione Joy, Andriann, Rak Roots, Mr Sayda, Melanie Walker, Jess Flavi One, Meizah ary Juini.

Zo ny Aina

Les commentaires sont fermées.