
Taksiborosy roa, fiara karandalina sy Mazda iray, nifandona tany Port Berger, omaly hariva, ka nahafatesana olona roa. Olona maro hafa ihany koa naratra vokatr’izany tao amin’ity fiara kely. Mbola nosokirina tao anaty fiara ireo naratra rehetra sy ireo olona roa maty. Araka ny vaovao avy any an-toerana, samy nandeha mafy ireo fiara roa ireo ka tsy tafala intsony rehefa sendra teo amin’ny lalana somary miolana. “Mafy ny fifandonana, ary nirefotra be ny fidonana. Nipitika mihitsy ilay Mazda raha tafala lalana ilay kamiaobe”, hoy ny avy any an-toerana.
Tonga teny an-toerana ny zandary nizaha ity loza ity. Nentina haingana tany amin’ny hopitaly kosa ireo naratra. Notanana nanaovana famotorana ny mpamily ilay karandalina. Mampitandrina ny rehetra ny mpitandro filaminana amin’ny tokony handehanana mora amin’izao mahabe ny olona mandeha any amin’ny faritany izao. “Samia mitandrina sy mifanaja ny rehetra, tsy ho maimaika fa izay tonga soa ihany no arahabaina. Izay ihany no fomba hisorohana ny loza”, hoy ny mpitandro filaminana.
Yves S.
Les commentaires sont fermées.