Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Notoloran’ny faritra moto ny zandary

Notoloran’ny faritra moto ny zandary

Nahazo moto miisa fito avy amin’ny faritra Analamanga ny fari-piadidian’ny zandary Antananarivo. Natokana ho an’ireo distrika manodidina an’Antananarivo izany… « Tafiditra amin’ny fanatsarana ny fiahiana ny loza eny an-dalana sy ny fametrahana fandriampahalemana izao fanomezana izao. Tetikasan’ny faritra taona 2016, ny fampitaovana moto ary mbola hiampy avo roa heny izany ho an’ny taona 2017 mba hampihenana ny lozam-pifamoivoizana sy ny asan-jiolahy », hoy ny lehiben’ny faritra, Rakotonanahary Ndranto, tetsy Ankadilalana omaly. Nanteriny fa tsy azo atao an-tsirambina ny filaminan’ny fifamoivoizana eny an-dalana. Notsindrin’ny avy amin’ny zandary, ny Kly Ravoavy Sambatra kosa fa hampiasaina amin’’ireo lalam-pirenena (RN) sy ny fitandroana filaminana ireo moto ireo. “Aoka hohajaina ny fitsipiky ny fifamoivoizana satria raha ny antontanisa ho an’ny taona lasa, 90 mahery ireo maty. Mihoatra lavitra noho ny matin’ny asan-jiolahy sy dahalo. Mba mety hihena izany amin’ireto fitaovana azo ireto”, hoy izy.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.