Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lasa any Taolagnaro: mifampizara traikefa ny Vezo mpanjono

Lasa any Taolagnaro: mifampizara traikefa ny Vezo mpanjono

Niainga tany Manambolo sy Tsiribihina, atsimo andrefan’i Madagasikara, ireo mpitantana ala honko, Vezo mpanjono miisa 12, ny 17 jolay teo, nihazo an’i Taolagnaro. Anton-dian’ireo mpanjono ireo ny hifampizara amin’ny namany any amin’ny tendro atsimon’ny Nosy, amin’ny lafiny jono, fitantanana ala sy harena an-dranomasina. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny ala honko (26 jolay) ity hetsika manokana ity, karakarain’ny fikambanana iraisam-pirenena WWF.

Tsy nandeha lakana tsy akory izy ireo, fa nandray fiara tsy mataho-dalana 4 x 4. Manodidina ny 1.500 km ny lalana nodiavina, nandalo ny morontsirak’Andavandaoka, i Salary, Ambondrolava. Teo koa ny tanànan’i Morondava sy Toliara, ny tanàna kely any Ranomay, ny reniranon’i Onilahy (lava indrindra eto Madagasikara, 870 km), avy eo nandalo an’i Beheloke sy Itampolo.

Nandritra ny lalana sy ny toerana nandalovan’ireo Vezo mpanjono lahy sy vavy, nifanakalozana ny traikefa. Nahita ny fomba tsara sy vaovao avy any amin’ny mpanjono sy mpitantana ala honko hafa izy ireo, sady nizara ny traikefany rahateo. Miisa 160 ny mpanjono nifamotoana tany Taolagnaro, nandritra ity fankalazana ity, teo ambany fiahian’ny tambajotra Mihari.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.