Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Je brûle encore »: mitatitra ny fivaivain’ny fiainana any atsimo

« Je brûle encore »: mitatitra ny fivaivain’ny fiainana any atsimo

Nivoaka ny boky mitondra ny lohateny hoe « Je brûle encore », nosoratan’ilay mpanoratra mitondra ny anarana hoe Ben Arès, teratany frantsay, saingy monina any Toliara efa ho maherin’ny folo taona izao. Nanonta ny boky kosa ny trano fanontana Dodo Vole.

Angom-baovao na « recueil de nouvelles » ity boky ity. Vaovao tsy mitovy amin’ny fahita sy famaky ary fandre anefa izany, satria mitantara ireo tranga any ambanivohitra lavitra any Toliara any, toerana tsy misy mpijery loatra. Manome sehatra anehoan-kevitra ho an’ireo tsy mba afaka manao izany ity boky ity.

Araka izany, misongadina ao ny fahasahiranana iainan’ny mponina andavanandro sy ny fivaivain’ny adim-piainana ao anatin’ny toe-tany maina sy ny toetr’andro migaingaina. Na eo aza ny mahangom-baovao ity boky ity, nezahin’ny mpanoratra nofehezina ny maha kanto ny asa sorany.

Miezaka mamoaka boky tsy voatery hampidi-bola, saingy mampahafantatra bebe kokoa an’i Madagasikara ny trano fanontana Dodo Vole, araka ny nambaran’ny mpitantana izany. Anisan’ireo boky nosafidina manokana amin’izany ity boky nosoratan’i Ben Arès, misy 104 pejy, ity.

Landy R.

Les commentaires sont fermées.