Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hifarana amin’ny fanatanjahantena ambava: hanomboka ny alatsinainy ny fitsarana ny bakalorea

Hifarana amin’ny fanatanjahantena ambava: hanomboka ny alatsinainy ny fitsarana ny bakalorea

Hifarana, anio, ny fanadinana bakalorea amin’ny taranja adina am-bava amin’ny taranja fanatanjahantena ho an’ireo tsy nanatrika ny « pratique » noho ny antony manokana. Navondrona eny amin’ny foibem-panadinana lycée Ampefiloha avokoa ireo mpiadina 1 800 eo ho eo hanatanteraka izany. Omaly, ho an’ny tapak’andro maraina, nanao ny taranja français ny mpiadina ary mbola niverina ny hariva ny sokajy A nisafidy ny taranja sciences naturelles sy ireo nisafidy ny sokajy C sy D. Nanontany ny mpanara-maso fanadinana ny mpiadina raha afaka mampiasa antontan-kevitra ivelan’ny laza adina sciences naturelles. « Tsy nahazo toromarika momba izany ny mpiandraikitra fanadinana ka tsy azo nikirakira izany izy ireo », hoy ny fanazavana. Azo ambara fa nilamina ny fizotry ny tontolo andro omaly, ho an’ny foibem-panadinana lycée Ampefiloha manokana.

Amin’ny alatsinainy vao manomboka ny fitsarana ny laza adina rehetra satria ny asabotsy vao tonga daholo eto Antananarivo ny kopia avy any amin’ny toerana lavitra toy ny any Mandoto…

« Miaraka atao ny fitsarana ny kopia rehetra isaky ny taranja ary mbola misy ny fivoriana ametrahana ny « grille de correction » iraisana hanamorana ny asa, hoy ny fanazavan’ny lehiben’ny Ofisin’ny bakalorea eto Antananarivo », omaly.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.