Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fitantanam-bola sy tetibola: “Hotohizana ireo fanavaozana maro”, hoy ny minisitra

Fitantanam-bola sy tetibola: “Hotohizana ireo fanavaozana maro”, hoy ny minisitra

Noraisin’ny mpiasan’ny minisiteran’ny Fitantanam-bola sy ny tetibola, omaly, ny minisitra vaovao, ramatoa Andriambololona Vonintsalama Sehenosoa. Am-pihavanana izany fihaonana izany, satria tsy hafa ramatoa minisitra fa zanaka an-trano ihany, efa nisahana andraikitra maro tao amin’io minisitera io nandritra ny taona maro.

Niompana manokana amin’ny fanentanana ireo mpiara-miasa ny lahateny nataon’ny minisitra, hanohizana ny asa sy ao anatin’ny fanarahan-dalàna tanteraka. Nohamafisiny ihany koa ny hanatanterahan’ny mpiasan’ny minisitera rehetra ny torolalana voasoritra ao anatin’ny Drafitrasam-pirenena ho an’ny fampandrosoana ary isan’ny nantitranteriny ny fandraisan’ny tsirairay andraikitra amin’ny ady amin’ny kolikoly. Nanome toky ary ramatoa minisitra fa hotohizana ireo fanavaozana maro samihafa napetraka hanatsarana ny asa.

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.