Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fampianarana ambony: nahazo ny certificat EDAF ny Iscam

Fampianarana ambony: nahazo ny certificat EDAF ny Iscam

Taorian’ny fanarahan’ny sekoly ambony momba ny varotra sy ny fitantanana Iscam fandaharanasa ahitana tantsoroka ho an’ny ivontoeram-pampianarana EDAF, nahazo ny certificat EDAF manamarina izany ny tomponandraikitra, omaly teny Ankadifotsy. Natokana ho an’ny sekoly ambony momba ny varotra sy ny fandraharahana ny tohana ka noho ny fanarahan’ny Iscam ny fepetra rehetra takina amin’izany, nomen’ny European Foundation For Management Development (EFMD) azy ireo ny EDAF. Anisan’ny fepetra napetraka ny fanovana ny fandaharam-pianarana sy ny fanavaozana ny toeram-pampianarana. Ny taona 2011 no nanatrika atrikasa momba ny « business scholl » tany Afrika Atsimo ny mpitantana ny Iscam ary nitsiry ny hevitra hirosoana amin’izany. Toeram-pampianarana anisan’ny nahazo voalohany izany “certificat” izany aty Afrika sy amin’ny firenena mampiasa ny teny frantsay ny Iscam, araka ny fanazavan’ny tale jeneraliny, Ranaivoson Jaona.

Vonjy A.  

Les commentaires sont fermées.