Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Bongolava: olona roa matin’ny dahalo

Bongolava: olona roa matin’ny dahalo

Olona roa indray maty voatifitry ny dahalo nandritra ny fanafihan-dahalo tao Fierenena afakomaly. Lasan’ireo dahalo nandritra ny fanafihana ny omby miisa 50 teo ho eo. Mitaraina ny mponina fa tao anatin’ny herinandro izay, manao ny ataony ny dahalo ao Bongolava. Tao Ambatomainty lasan’ny malaso  ny omby anjatony. Miverina fotsiny ireo mpanara-dia noho ny fahasarotan’ny lalana sy ny fiparitahan’ny dian’omby.

Toy izany koa ny tao Firavahana, omby ampolony no lasan’ny dahalo, afakomaly alina ihany. Nanao izay ho afany tamin’ny fanarahan-dia ny zandary sy ny fokonolona, saingy tsy tratra ireo dahalo. Nitrangana asan-dahalo toy izany koa tao Ambohidrangory, afakomaly alina ihany. Efa tafaverina amin’ny tompony anefa ireo dahalo noho ny ezaka nataon’ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona. Manao izay ho afany ny zandary amin’ny famongorana ny asan-dahalo, saingy tsy kely lalana ny ratsy. Manginy fotsiny ireo dahalo ambony latabatra miray tsikombakomba amin’ireo tena manao ny asa ratsy.

J.C

Les commentaires sont fermées.