Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

AVG: niakatra fitsarana ny mpandrindra teo aloha

AVG: niakatra fitsarana ny mpandrindra teo aloha

Niakatra fitsarana ny talata 25 jolay teo, ny mpandrindra nasionaly teo aloha ny fikambanana Alliance voahary gasy (AVG), Ralamboson Andriamanga Andry. Raharaha iray amin’ireo efatra iampangana azy io hatrehiny io, noho ny fanararaotam-pitokisana sy fanodikodinam-bola tao amin’ny AVG. Efa voatazona tany am-ponja, nanomboka ny 20 febroary teo ny tenany, ary izao vao hiatrika ny fitsarana.

Hiakatra fitsarana koa izy, ny alatsinainy 31 jolay izao, mikasika ny raharaha faharoa maha voarohirohy azy, ary mbola misy ny roa hafa. Nilaza ny filohan’ny filankevi-pitantanana ny AVG, Razakamanarina Ndranto, fa matoky ny fahendren’ny fanjakana sy ny vesatra hiampangana ny mpitantana teo aloha ity fikambanana miaro ny tontolo iainana ity.

Randria

Les commentaires sont fermées.