
« Antsika jiaby miasa hampiakatra ny fari-piainan’ny tantsaha, hampandroso ny toekaren’ny faritra ». Izany ny lohahevitra entina hanamarihana ny “Tsenabe lojy mitsangana sy voamaina”, andiany faharoa. Hanomboka rahampitso 28 hatramin’ny 30 jolay, izany fotoana izany, ao Ambondromamy, distrikan’Ambato-Boeny.
Ny 22 jolay 2017, nitondra fanazavana ny mpikarakara ny foara, avy amin’ny faritra Boeny, Tranoben’ny varotra sy ny indostria, Foibem-paritry ny fambolena sy ny fiompiana, ary ny fandaharanasa Prosperer. Tanjona ny fampahafantarana fa vokatra iray mampiavaka sady harena manokan’ny faritra Boeny ny lojy. “Isika no mpamokatra voalohany azy io eto Madagasikara”, hoy ny lehiben’ny faritra, Saïd Ahamad Jaffar. Miezaka hatrany ny faritra eo amin’ny fanatsarana sy fampiroboroboana ity voamaina ity sy ireo tantsoroka sy mpisehatra rehetra amin’izy io, hanatsarana ny fari-piainan’ny tantsaha, sy hampandroso ny toekaren’ny faritra, araka ny faritan’ny lohahevitra.
Ho fanatanterahana izany, hapetraka ny tsy maintsy hahitana soritra ho an’ny lalam-pihariana lojy, indrindra ho an’izay vokatra haondrana any ivelany. “Miaka-danja mitondra fanatsarana eo amin’ny fiainan’ny tantsaha io vokatra io ankehitriny eto Boeny”, araka ny fanamarihan’ny lehiben’ny faritra. Hatao, araka izany, ny “Tsenabe lojy mitsangana sy ny voamaina”, hisian’ny sehatra iray ahafahan’ny mpivarotra sy ny mpividy ary ireo mpikirakira ny vokatra mifampiserasera misimisy kokoa sy hiantsoana ireo izay te hisehatra amin’izany lalam-pihariana izany koa. Fotoana izao ho fampahafantarana ny vokatra lojy manaraka ny fenitra takin’ny lalàna amin’ireo vokatra haondrana.
Tany Ambato-Boeny, ny taona 2016, ny andiany voalohany, ary nahazo tombony avokoa ireo mpandray rehetra, araka ny tatitra fantatra avy amin’ireo mpandray anjara. Laharam-pahamehana amin’ity andiany faharoa ity ny lojy fa ho hita ao avokoa ireo vokatra samihafa mampalaza ny faritra sy ny distrikan’Ambato-Boeny ary ny kaominina Ambondromamy.
R.Mathieu
Les commentaires sont fermées.