Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Régis Gizavo: nampihetsi-po ny fiandrasana ny razana

Régis Gizavo: nampihetsi-po ny fiandrasana ny razana


Tonga an-tanindrazana, nomem-boninahitra tetsy Mahamasina ary mihazo an’i Toliara anio ny nofo mangatsiakan’i Régis Gizavo. Fisaonam-pirenena, araka izany, ny anio.
Nigadona an-tanindrazana, omaly maraina, ny vata misy ny nofo mangatsiakan’i Régis Gizavo. Vao teny amin’ny seranam-piaramanidina dia efa nampihetsi-po ny fitsenana ity andrarezin’ny mozika malagasy lavo an-tsehatra ity. Nitsena ny razana sy ny fianakaviany ireo Havana, namana, mpanakanto sy mpiray tanindrazana.
Vantany vao tonga dia nentina tetsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina i Régis. Nifandimby naneho ny fiaraha-miory ny rehetra, izay nahafantatra na akaiky na lavitra azy sy ny sanganasany.
Anisan’ny nampihetsi-po tokoa ny fanomezam-boninahitra nataon’ireo mpanakanto naman’i Régis Gizavo. Nifandimby an-tsehatra nanala ny fahanginana sy nitondra ihany koa ny mozika malagasy isam-paritra ireo mpanakanto avy amin’ny sendikan’ny artista sy ny fikambanan’ny artista zanak’i Toliara (Fiarto), izay anisan’ny nandray an-tanana ny fikarakarana ny fiandrasana ny razana.
Marihina fa andro natokan’ny fitondrana ho fisaonam-pirenena ny anio. Hiainga maraina etsy Mahamasina ary hihazo an’i Toliara amin’ny fiaramanidina ny razana, ary hivantana ao amin’ny kianja mitafo, handrasana roa andro koa. Hisahana ny fanomezam-boninahitra ireo mpanakanto zanak’i Toliara mandritra izany.

Zo ny Aina

Les commentaires sont fermées.