Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Praiminisitra Mahafaly S. : « Jerena ifotony ny olana »

Praiminisitra Mahafaly S. : « Jerena ifotony ny olana »

Nitondra fanazavana momba ny komitin’ny telo tonta, momba ny fitakian’ny Sendikàn’ny mpitsara (SMM) ny Praiminisitra Mahafaly Solonandrasana. “Mitady vahaolana hatrany amin’ny tranga miseho teto amin’ny firenena ny ezaky ny fitondrana. Mihaino ary mijery vahaolana hamahana ny olana, indrindra eo anivon’ireny sendikà ireny. Tsy hoe fitiavana hifamorivory fotsiny fa jerena ifotony ny olana”, hoy izy teny Ivato, omaly. Nambarany fa mbola ao anatin’ny fitadiavana vahaolana izao ary miroso ny adihevitra ao anatin’ny famoahana volavolan-kevitra eo amin’ny minisiteran’ny Fitsarana sy ny primatiora ary ny SMM. Nanteriny  fa samy mitondra vahaolana ny rehetra. Tsy ny fanjakana ihany fa ny SMM koa satria misy andraikitra, takian’ny vahoaka amin’izy ireo koa ka iarahana mahita eo izany. « Irariana mba hilamina ary ho lasa ny savorovoro  fa miditra tsikelikely amin’ny fifampihainoana sy famahana miaraka ny mety ho olana sedraina ao amin’ny fitsarana”, hoy ihany izy.

Avelao hanao ny asany ny fitsarana

Nitondrany ny heviny koa ny praiminisitra momba ilay tale ao amin’ny minisiteran’ny Atitany, nandalo ny Bianco sy ny CPAC ary nampidirina am-ponja vonjimaika (MD) tamin’ity herinandro ity. « Manaja ny demokrasia aho ary manaja ny hasin’ny fitsarana ka tsy hitsabaka amin’ny raharahan’ny fitsarana. Avelao hanao ny asany izy ireo. Aleo handeha ny fanadihadiana. Aoka izay ny fifanosoram-potaka sy ny fanenjehana. Ho hitantsika eo ny vokatry ny fitsarana…”, hoy izy.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.