Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra: hilalao ao amin’ny Ste Marie La Réunion i Ando Pro

Kitra: hilalao ao amin’ny Ste Marie La Réunion i Ando Pro

Tontosa soa aman-tsara ny fifanarahana eo amin’i Manoelantsoa Ando (Pro) sy ny klioban’ny US Ste Marienne, La Réunion. Herintaona azo havaozina ny hilalaovany ao amin’io ekipa io.

Vita, omaly, ny fanaovan-tsonia  teo amin’i Manoelantsoa Ando, mpilalaon’ny Ajesaia ary efa kapitenin’ny Barea de Madagascar, sy ny klioban’ny US Ste Marienne, La Réunion. Manomboka eto izany, hilalao any ny tovolahy. Araka ny fantatra, herintaona ihany aloha ny fifanarahana saingy azo havaozina izany. Tsy mbola fantatra kosa ny sandan’ity fifindran-toeran’i Ando Pro ity.

Tsiahivina fa anisan’ny miara-milalao amin’i Ando Pro, ao amin’ity ekipan’ny Ste Marie ity, ry Fidèle Comune, mpilalaon’ny Adema fahiny sy ry Yvan, lohalaharan’ny Japan Actuel’s tamin’ny fotoan’androny sy Gladyson. Eo koa i Fabrice izay efa mizaka ny zom-pirenena frantsay.

Tsy afaka ny hanatevina ny Barea de Madagascar, amin’ny fifanintsanana ho an’ny mpilalao tsy matihanina na ny “Chan 2018”, intsony izany i Ando Pro. Mbola hilalao kosa nefa ny tovolahy, amin’ny fihaonana eo amin’ny fiadian-toerana ho an’ny “Can”, izay hifangaroan’ny mpilalao eto an-toerana sy ireo mpila ravinahitra.

Hiatrika lalao roa ny Barea

Mahakasika ny Barea de Madagascar, nilaza tamin’ny onjampeon’ny RFI (Radio France Internationale), i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny ekipam-pirenena alagasy, fa hisy lalao ara-pirahalahiana hatrehin’ny Barea, atsy ho atsy, mialoha ny hikatrohana amin’i Sénégal, ny volana marsa, eo amin’ny fifanintsanana ho an’ny “Can 2019”.

Raha tsy misy ny fiovana, ry zareo Cap Vert sy ny Repoblika demokratikan’i Centrafrique, no hanatanterahana ireo lalao sedra ireo. Tsy mbola voafaritra kosa anefa ny daty sy ny toerana hanaovana izany.

Ankoatra izay, manam-paniriana ny hamerina an’i Bolida sy i Anicet ary i Ibrahim Amada, ao anatin’ireo mpilalao handrafitra ny Barea, ny tenany.

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.