
Hafa kely sy tsy fahita firy! Taorian’ny fampirantiana « Langage du corps » notontosaina tany amin’ny taona 2015, hanatanteraka ny « Imprimer la lumière » i Tolotra Ramboasolo. Ny taratra hazavana avy amin’ny vatan’ny vehivavy no hivoahan’ny tian-kambara amin’ny saripika alain’ity mpanakanto ity. Nomarihiny anefa fa « tsy ny vatan’ilay vehivavy no fototr’ilay saripika. Ampiasaina ho toy ny fanampiny ihany izy io. Ny fakàna sary sy ny famoahana izany no teknika ampiasaina », hoy izy.
Fampirantiana saripika hotontosaina eny amin’ny Is’Art Galerie Ampasanimalo, manomboka anio ka tsy hifarana raha tsy ny 10 aogositra izao.
Nanangona : HaRy Razafindrakoto
Les commentaires sont fermées.