Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Eto an-dRenivohitra: hatao hazalambo ireo taxi tsy ara-dalàna

Eto an-dRenivohitra: hatao hazalambo ireo taxi tsy ara-dalàna

Ao anatin’ny ezaka amin’ny ny fanatsarana ny fitaterana sy ny fifamoivoizana eto Antananarivo Renivohitra ny kaominina. Natao, araka izany, ny fanenjehena ireo taxi tsy manara-dalàna na ny « Operation taxi ».
Efa nanomboka ny asa. Hatreto, 13 ny taxi napetraka eny amin’ny Centre de contre visite service voirie eny Antsakaviro.
Miara-manatanteraka ny hetsika ny sampandraharaha misahana ny fitaterana eto anivon’ny fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo sy ny polisy monisipaly ary ny polisy nasionaly.
Omena sazy hentitra ireo taxi sandoka tsy manana taratasy ara-dalàna amin’ny maha taxi azy fa mampiasa taratasy fiara tsotra (papier voiture plaisir). Giazana 10 andro avy hatrany kosa ary ampandoavina vola (droit de fourrière) ireo fiara ireo ary alaina ny taratasiny.

Asaina lokoin’ny tompony loko mifandraika amin’ny taxi (beige crème) ny fiara. Tsy mahazo manao taxi intsony raha tsy mahafeno ny antontan-taratasy rehetra amin’ny maha-taxi azy ireo taxi mpijirika 13 tratra ireo.
Nanambara Ravelosona Landy, talen’ny sampandraharaha misahana ny fitaterana fa hitohy hatrany ity hetsika ity mba hanafoanana ireo taxi rehetra tsy manara-dalàna. Tsy ny fiarakaretsaka sandoka ihany no enjehina fa iharan’ny sazy henjana ihany koa na ny taxi tsotra aza ka tsy manaraka ny fepetra rehetra tokony ho izy.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.