Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“Basket-ball virtuel”: 105 ireo mpifaninana

“Basket-ball virtuel”: 105 ireo mpifaninana

Nanomboka, omaly, tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga, taranja basikety lalaovina amin’ny solosaina na “virtuel”. Fahombiazana avy hatrany no azo ilazana ny andro voalohany satria nahatratra 105 mianadahy ireo nisoratra anarana, ka 7 taona ny zandriny indrindra ary 35 taona kosa ny zokiny.

Tsy nasiana sokajy ny fihaonana fa misokatra ho an’ny rehetra na “open” ka fifanintsanana mivantana no natao. Mifandona avokoa ny rehetra ka mihintsana avy hatrany izay resy. 5 mn inefatra miditra ny faharetan’ny lalao, mandritry ny fifanintsanana ary 10 mn inefatra miditra toy ny amin’ny lalao basikety tena izy, manomboka eo amin’ny dingan’ny ampahavalon-dalana ka hatrany amin’ny famaranana. Hitohy, anio, ny fihaonana ary natokana ho an’ireo mpanala bakalorea kosa ny rahampitso zoma. Tsiahivina fa amin’ny alahady ny famaranana, ho an’ity “basket-ball virtuel” ity. “Tsy mpanao basikety aho fa baolina kitra ary ny PES 3 foot  no tena filalaoko saingy naheno an’ity basikety ity ny tenako dia mba mandray anjara. Efa nihintsana fa afa-po, tamin’ny fandraisana anjara”, hoy i Tiana, anisan’ireo nandray anjara.

Torcelin

Les commentaires sont fermées.