Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Andrianoelison José na i José kely: « Mitaky fanapahan-kevitra hentitra ny tsy fandriampahalemana »

Andrianoelison José na i José kely: « Mitaky fanapahan-kevitra hentitra ny tsy fandriampahalemana »

Nitondra ny heviny manoloana ny fihanaky ny tsy filaminana sy tsy fandriampahalemana Andrianoelison José na i José kely. Nambarany fa mitaky andraikitra goavana sy fanapahan-kevitra hentitra izany.

Mitaky fanapahan-kevitra hentitra ity tsy fandriampahalemana ity raha tiana ny hampandroso ny firenena. Tsy misy fampandrosoana vanona raha tsy eo ny fandriampahalemana… Tsy misy dikany avokoa ireo tetikasa samihafa , toy ny fampianarana sy ny fahasalamana na ny toekarena ankapobeny raha tsy mipetraka izany”, hoy izy, tamin’ny fanehoan-keviny amin’ny haino aman-jery, omaly. Nohitsiny fa tsy afaka mihetsika sy miasa ny olona raha tsy voaaro ny ainy sy ny fananany. Notsiahiviny avy eo fa efa tsy azo iainana intsony ny any ambanivohitra. Eo koa ny eny amin’ny lalam-pirenena, toy ny fanakanan-dalana. “Tena manjakazaka eto amin’ny firenena amin’ny ankapobeny mihitsy ny dahalo sy ny jiolahy”, hoy ihany izy. Manoloana izany, nitondra vahaolana ity mpanao politika sady manampahaizana ity. Anisan’izany ny fampandeferana ny fandaniana sasany ka hafindra amin’ny ady atao amin’ny tsy filaminana sy tsy fandriampahalemana izany. Tolokevitra nentiny koa ny tokony hividianana angidimby mahazaka miaramila hatrany amin’ny 30 any ho any

Hofaizina ireo mpitandro filaminana miray tendro amin’ny dahalo

Nahitsy ny tenany nilaza fa tokony handray andraikitra ny fitondrana fa tsy hiandry fotsiny ny fanampiana avy any ivelany. “Miainga amin’ny volantsika ihany. Manana manampahaizana manokana momba ny asan-dahalo ny firenena saingy tsy ampiasaina… Tokony hofaizina mafy koa anefa ireo mpitandro filaminana miray tendro sy mitsikombakomba amin’ny dahalo sy ny jiolahy…”, hoy i José kely.

Momba ny fitakiana samihafa mahazo vahana sy laka kosa indray, nambarany fa noho ny tsy nihazonan’ny fitondrana ny teny nomena ny antony ka mahatonga azy ireo mihetsiketsika.

Synèse R. 

Les commentaires sont fermées.