Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Akademia malagasy: tapitra ny taom-piasana 2016-2017

Akademia malagasy: tapitra ny taom-piasana 2016-2017

Fikarohana, fanehoana voka-pikarohana, sns ! Hotanterahina ny asabotsy 29 jolay izao, manomboka amin’ny 10 ora maraina, ny lanonam-pamaranana ny taom-piasan’ny Akademia 2016-2017. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana eny amin’ny lapan’ny Akademia malagasy, Tsimbazaza amin’io fotoana io, ny antsa tononkalo sy ny hira ary ny lahateny famaranana ataon’ny filohan’ny Akademia malagasy.

« Velona ho velona ny haisoratra malagasy », seho kanto tarihin’ny Havatsa-Upem. Tafiditra rahateo ao anatin’ny fankalazana ny faha-65 taon’ity fikambanan’ny poety sy mpanoratra malagasy ity.  Antsa tononkalo mifampiako hovelomin’ny mpikambana am-perim-panoratana. Horavahin’ny tarika Tafasiry Kolo Kanto, sampana malagasy, ao amin’ny « Ecole normale supérieure (ENS) Ampefiloha, amin’ireo kalon’ny fahiny sy bagasy. Ho avy eny an-toerana handray anjara amin’ny fanafanana ity lanonam-pamaranana ny taom-piasan’ny Akademia malagasy ity ihany koa ny Vakomanitry ny Antenimierandoholona.

Marihina fa anisan’ny sehatra ahafahan’ny mpianatra, mpikaroka, mpandalina, sns, manovo hevitra sy fahalalana ny Akademia, noho ny fananany tahirin-kevitra isan-karazany.

HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.