
Fiaraha-miasa amin’ny any ivelany
Hiofana any Inde ny parlemantera tanora
Nandray ny ambasadaoron’i Inde, Subir Dutta, teny Tsimbazaza, omaly, ny filohan’ny Antenimierampirenena, Rakotomamonjy Jean-Max. Nivoitra tamin’izany ny fanamafisana ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta, indrindra ny eo anivon’ny parlemanta roa tonta. « Zava-dehibe izany satria anisan’ireo firenena mampihatra ny demokrasia i Inde », hoy ny filoha Rakotomamonjy Jean-Max. Tafiditra ao anatin’izany ny fanofanana ireo parlemantera sy ny mpiasan’ny Antenimiera. Fantatra tamin’izany fa hanainga rahampitso ho any Inde ny parlemantera telo avy eto amintsika, hiofana momba ny fiaraha-miasa sy ny fifandraisana eo amin’i Afrika sy i Inde, ka haharitra 10 andro eo ho eo izany.
Anisan’ny hiarahantsika miasa amin-dry zareo Indianina ny tontolon’ny fahasalamana, ny toekarena, indrindra fa ny fanodinana ny akora fototra.
Nohararaotin’ny filohan’ny Antenimiera izany nitaterana ny diany tany ivelany. Anisan’izany ny fandraisany anjara amin’ny fivorian’ny parlemantera Frankofonina, andiany faha-43 tany Luxembourg. Nihazo an’i New York avy eo ny tenany, nandray anjara amin’ny fivorian’ny firaisan’ny samy parlemantera. Niompanan’ny lohahevitra ny momba ny fihanaky ny fahantrana sy ny drafitra ho an’ny fanaingana ny toekarena.
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.