
Nahavita fiofanana ary notolorana fanamarinana ny nahavitana izany ireo mpianatry ny ESDES miisa 30, etsy Ambatomitsangana. « Nidina ifotony niara-niaina amin’ireo tantsaha ianareo ahafahana mijery ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra. Nanovo fanofanana ho amin’ny tetikasa… Nandray ny faneva ho tompon’andraikitra sy ho fakan-tahaka », hoy ny filohan’ny ONG ACDM, Hanitriniana, tamin’ny lahateniny, tetsy Tsiadana ny asabotsy teo. Manomana tanora hamaly ny filan’ny mpamatsy vola ho amin’ny fampandrosoana rahateo ny fiaraha-miasan’ny ESDES sy io ONG io. Nametrahan’ny Fid fitokisana ny ACDM tamin’ny fanatanterahana ilay tetikasa “Asa avotra mirindra”, natao amin’ireo fokontany 11 ao amin’ny kaominina Antanifotsy sy Ambohimandroso. “Nanadihady ny fihariana sy ny asa fiveloman’ny mponina ary koa ny fomba fiasan’izy ireo izahay. Nahitana ny olana iainan’ny tantsaha izany. Teo koa ny fijerena ireo orinasa madinika iveloman’ny olona”, hoy ny mpiofana iray, Ravaka.
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.