Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rugby: samy nanao ny azy…

Rugby: samy nanao ny azy…

Nizara roa ny ekipa, nizara roa koa ny mpijery, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga, taranja rugby. Samy nanao ny azy mantsy ny ligin’Analamanga, nanatontosa izany, tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina. Ny Comité ad’hoc kosa, nanohy ny azy, teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Na izany aza, tsy tonga nanatanteraka ny lalao tokony ho nikatrohany tamin’ny Cosfa ny TFA Anatihazo, izay voalahatra tao anatin’ny fandaharan-dalaon’ny Comité ad’hoc, fa namonjy ny an’ny ligy, izay nifandonany tamin’ny 3FB.

Mbola nanamafy indray ny tomponandraikitra eo anivon’ny Comité ad’hoc fa toy ny lalao ara-pirahalahiana ihany ny an’ny ligy fa tsy ho lasa lavitra satria tsy hisy ho afaka handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, amin’ity taom-pilalaovana 2017 ity. Hisy ny fanamafisana ny sazy ho an’ireo rehetra niatrika izany lalao izany, amin’ity herinandro ity. Toy izany koa ireo mpitsara nankany amin’ny ligin’Analamanga. Mety hiafara amin’ny fisintonana ny «licence»-n’izy ireo mihitsy izany. Ny ligin’Analamanga kosa, mbola nilaza fa efa manaiky azy ireo fileovana ary porofo iray manamafy izany ny tsy niatrehan’ny TFA ny lalao, teny Andohatapenaka.

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.