Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Roberson Pierre “Solamena”: « Manjaka ny mpangalatra volam-bahoaka »

Roberson Pierre “Solamena”: « Manjaka ny mpangalatra volam-bahoaka »

Naneho ny heviny momba ny raharaham-pirenena ny CT teo aloha, Iandro Roberson Pierre, na ny Jeneraly Solamena. « Latsaka an-katerena ny firenena vokatry ny fitiavan-tena sy ny kolikoly avo lenta ataon’ny  mpitondra. Efa tena lalina ny fahantram-bahoaka. Tsy mahatsiaro ho manana mpitondra fanjakana manoloana ny tsy fandriampahalemana ny vahoaka. Manjaka mihoatra ny mpitandro ny filaminana ny dahalo sy  ny jiolahy. Manjaka miaraka amin’ ireo koa ny mpangalatra volam-bahoaka”, hoy izy tetsy Bazarikely, Toamasina, ny faran’ny herinandro teo. Nohitsiny fa  hifampihinana eto ny samy Malagasy raha mitohy hatrany izao. “Efa tsy manana sakafo harapaka ny ankamaroan’ny vahoaka”, hoy ihany izy.

Etsy andaniny, nokianiny ny famarotana tanim-panjakana ataon’ny ben’ny Tanànan’i Toamasina sy ny forongony. “Tsy azy irery ny tanàna fa mindrana amin’ny vahoakan’ i Toamasina nifidy azy izy, ka mampitandrina azy izahay “, hoy ihany ny Jeneraly Solamena.

Sajo

Les commentaires sont fermées.