
Efa ao anatin’ny fifanintsanana tanteraka ny mpifaninana rehetra, eo amin’ny “Lalao Frankofonia”, tanterahina any Abidjan, Côte d’Ivoire. Efa nahazo medaly i Madagasikara, tamin’ny alalan’ny taranja lutte.
Tsara fanombohana ny delegasiona malagasy, eo amin’ny “Lalao Frankofonia”, andiany fahavalo, atao any Abidjan, Renivohitr’i Côte d’Ivoire. Omaly, niatrika ny famaranana, teo amin’ny taranja tolona “lutte”, i Emma, ho an’ny sokajin-danja – 53 kg. Nifanehatra taminy ilay Kanadianina, Katrina. Hatramin’ny fotoana nanoratana, tsy mbola azo ny vokatra, teo amin’izy mirahavavy, saingy efa azo antoka fa mibata medaly aloha izany ny tovovavy, fa ny lokony fotsiny no tsy hay.
Nisantatra ny medaly ho an’i Madagasikara izany i Emma, tamin’ity lalao ho an’ny firenena miteny ampahany na iray manontolo ny teny frantsay ity. Andrasana kosa, manomboka anio alatsinainy ireo vokatra hafa, ifaninanan’ny Malagasy, amin’ity dia ny judo, ny atletisma, ny tenisy ambony latabatra.
Teo amin’ireo vokatra hafa izay tsy mahakasika ny Malagasy, raha ho an’ny basikety vehivavy, voahaja avokoa ny lojika. Lavon’i Mali, tamin’ny isa mavesatra 97 no ho 32, ry zareo Beninoazy. Niondrika teo anatrehan’ny Lionan’i Téranga, avy any Sénégal, tamin’ny isa goavambe, 94 no ho 27, i Niger.
Hatreto aloha, mitarika eo amin’ny fahazoana medaly ry zareo Kanadianina, izay efa nandrombaka medaly 5 ka volamena ny telo tamin’izany, ary alimo kosa ny roa.
Tsiahivina fa ankoatra ny fifaninanana eo amin’ny taranja fanatanjahantena, misy ny lafiny kolontsaina, izay hiadiana medaly volamena. Manana solontena amin’izany sehatra izany koa i Madagasikara.
Torcelin
Les commentaires sont fermées.