Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – «Can 2019»: nampakarina ho 24 ny isan’ny ekipa hifaninana

Notapahin’ny zaikaben’ny kaonfederasiona afrikanin’ny baolina kitra, natao tany Rabat,  Maraoka, ny alarobia sy alakamisy lasa teo, fa hakarina ho 24 fa tsy 16 toy ny teo aloha intsony ny isan’ny ekipa hifaninana, hiady ny ho tompondakan’i Afrika (Can), manomboka amin’ny taona 2019.

Ankoatra izay, tsy hatao ny volana janoary sy febroary intsony koa ny lalao fa nosafidina ny jona sy jolay. Hialana ny vanim-potoan’ny orana, izay matetika manimba ny ho endriky ny fifaninanana izany. Hatao isaky ny roa taona ny Can.

Ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy zandriny (U17, U20, U23)  indray, hatao isam-paritra ny fifanintsanana ka samy manao ny raikipohy hanaovany izany ny komity mpikarakara. Ho an’ny Can U23 manokana, hatao ny 2019 indray, fantatra fa niala tsy hampiantrano izany i Zambia, ka mbola misokatra ho an’izay firenena vonona ny fandraisana ny filatsahana, amin’io Can io.

Nomena an’i Egypta kosa ny fandraisana ny Can 2018, ho an’ny baolina kitra lalaovina amoron-pasika na ny beach soccer.

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.