
Andro natokana ho an’i Mandela ny zoma 21 jolay teo. Tsy diso anjara tamin’ny fanamarihana izany ny tetsy amin’ny Kianjan’ny Kanto, ny alin’io. Fotoana nifanomezana hanohizana ny fanehoana firaisankina ihany koa, noho ny voina izany nahazo ny toerana, andro vitsivitsy lasa izany.
Tsara fanomboka ny fampisehoana: fanehoana ny afo nandrava sy ny finiavana hanangana no nataon’i Rossy, nandritra ilay hira “You rise me up”. Vita izay, nisesy ny hira natokana ho ani Mandela. Nitarika ny fandihizana mihitsy ny masoivohon’i Afrika Atsimo miasa eto Madagasikara.
Tonga nanotrona ny tarika Rossy ireo namany mpanakanto maromaro. Tazana nifety sy nandray anjara ry Vahombey, Backom, Iary, Hery-Tiana, sns. Tsy nohadinoin’i Rossy ny nampiakatra ireo mpanao jijy sy sôva, toa an-dry Ralaifika, sns.
Zo ny Aina
Les commentaires sont fermées.