Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Isotry: nodiovina sy nalamina ny tsena

Isotry: nodiovina sy nalamina ny tsena

Niara-nientana tamin’ny fanadiovana faobe izay notrontosain’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ireo mpivarotra tetsy amin’ny tsenaben’Isotry sy ireo fokontany manodidina tamin’iny herinandro iny.

Tonga namaly ny antso ireo mpivarotra sy mponina anjatony maro. Samy nanidy ny tsenany avokoa ny tsirairay nanomboka tamin’ny fito ora hatramin’ny valo ora sy sasany maraina. Afaka nivarotra tao anaty fahadiovana sy filaminana kosa izy ireo taorian’izay.

Araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra avy ao anaivon’ny boriborintany voalohany, atomboka eo amin’ny tsenaben’Isotry ny fanadiovana ireo tsena valo ao anaivon’ny boriborintany.

Maro ny asa izay notanterahina teny an-toerana toy ny fanadiovana ny tsena tamin’ny alalan’ny rano izay notontosain’ny mpamonjy voina. Teo koa ny fandrarahana ranom-panafody izay nataon’ny BMH.

Ankoatra izay, nisy ny fanisahana ireo mpivarotra vy teny Ambalavao Isotry. Nilamina sy nandeha araka ny tokony ho izy ny fandaminana teny an-toerana ary mbola hitohy satria Antananarivo madio sy milamina no tanjona.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.