Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fialan-tsasatra ao Mahajanga: tsy maintsy manana fahazoan-dalana ireo fiara

Fialan-tsasatra ao Mahajanga: tsy maintsy manana fahazoan-dalana ireo fiara

Tsy latsaky ny 20 isan’andro ireo taksiborosy mitandahatra miala eto Antananarivo mihazo an’i Mahajanga miala etsy Ambodivona. Ankoatra izany ireo fiara madinika sy fiara vaventy manokana hofain’ny mpianakavy.

Hipoka mpiala sasatra i Mahajanga. Mafana rahateo any an-toerana ka mahasarika ireo mpanao vakansy. Hentitra kosa ny tompon’andraikitra vokatr’izany, indrindra eo amin’ireo fiara mivezivezy ao an-tanàna.

 Nampahatsiahy azy ireny sy ireo izay mbola mikasa ny hivahiny any ny sampan’ny ATT ao Mahajanga fa tsy maintsy manana fahazoan-dàlana manokana izy ireo hahafahana mivezivezy ao an-tampon-tanànan’i Mahajanga.

Voakasik’izany avokoa na ireo fiara manokana mitondra fianakaviana, na mpanao fifaninanana na fiangonana na fikambanana na mpandray anjara amina hetsika koltoraly sy fanatanjahantena…

Mila miomana amin’izany araka izany ny rehetra mba tsy hotampohin’ny fisavana izay ataon’ny tompon’andraikitra any an-toerana. Natao izany handrindrana ny fifamoivoizana sy ho fanarahan-dalàna ka hahatomombana tsara ny fialan-tsasatry ny rehetra, raha ny fanazavana.

Marihina fa efa ifampitadiavana ny trano hisitrihan’ireo mpivahiny any Mahajanga hatramin’ny herinandro. Feno ny ankamaroan’ireo trano fandraisam-bahiny. Efa mandray vahiny hatramin’ny olon-tsotra.

Hipoka olona eny amoron-dranomasina ao an-tampon-tanàna amin’ny alina. Mandeha ny tsena indrindra ny tsakitsaky izay mamatsy ireo mpiala sasatra.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.