
Ahina ho very anjavony ? Nahazo fahafahana vonjimaika (LP) hatrany ilay tale iray eo anivon’ny minisiteran’ny fitsinjaram-pahefana. Anisan’ireo voarohirohy amin’ny raharaha maromaro eo an-tanan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (CPAC) izy io. Niatrika ny fampanoavana tao amin’io rantsam-pitsarana io ny tenany, ny zoma teo, ka anisan’ny nanadihadiana azy ny momba ilay “Raharaha Ambohimahamasina” any Ambalavao. Ahina ho tafiditra amin’ny fanodinkodinam-bolam-panjakana mitentina 400 tapitrisa Ar latsaka tamin’izany ny tenany. Niakatra teny amin’ny CPAC ity tale ity ny alarobia teo, ary nahazo LP. Nitohy ny zoma izany, saingy amin’ny raharaha hafa indray, momba ny vola fanampiana ho an’ny kaominina any avaratry ny Nosy. Anisan’izany ny any Antsohihy. “Misy orinasa misahana ny asa koa tafiditra ao anatin’izao raharaha izao”, hoy ny loharanom-baovao iray. Mbola nahazo LP indray koa ilay tale. Anisan’ny tompon’andraikitra misahana ny vola fanampiana ny kaominina sy ny tsenam-baro-panjakana ity tale ity. Voalaza fa mandalo eo ambany masony avokoa izany ary tompon’ny fanapahan-kevitra rehetra amin’ny vola fanampiana ny kaominina sy ny tsenam-baro-panjakana ny tenany.
Haverina hohadihadiana Razaimamonjy Claudine
Na eo aza anefa izany, maromaro ireo tompon’andraikitra na mpitondra ambony, ahina ho voarohirohy ao anatin’izao raharaha izao. Efa nanambara izany ny eo anivon’ny Dinika ho fanavotam-pirenena (DFP) raha naneho hevitra momba azy ity. “Tambajotra iray matanjaka io fa tsy mahavita samirery izany Razaimamonjy Claudine”. Tsy afa-bela ao anatin’izany ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana…”, hoy i Doudou tamin’izany. Nanamafy izany koa ny filoha lefitry ny SMM, Fanahimanana Tiaray, ny 13 jona teo nanoloana ny mpanao gazety. “Ampolony ireo ahina ho tafiditra ao anatin’io raharaha io, ankoatra ilay mpandraharaha tompona hotely iray lehibe iny”, hoy izy.
Midika izany fa mety hisy fiantsoana an-dRazaimamonjy Claudine, tanana vonjimaika (MD) any Manjakandriana, raha mitohy izao raharaha izao ?
Randria
Les commentaires sont fermées.