
Nifarana, ny asabotsy lasa teo tatsy Maorisy, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny taranja basikety sokajy 16 taona lehilahy na ny “Afrobasket Men U16”. Nitana ny laharana fahadimy, tamin’ireo firenena valo nandray anjara, i Madagasikara. Resin’ny Malagasy, teo amin’ny fiadiana ny laharana fahadimy, i Roandà. Tamin’ny isa 70 no ho 64 ny nahazoan’i Madagasikara ny fandresena. Sahirana ny Malagasy satria efa tany amin’ny tapa-potoana fahefatra vao afaka nihoatra an-dry zareo Roandey, izay nitarika anisa hatrany. Hatreo amin’ny 3 mn tsy hifaranan’ny lalao, mbola ry zareo Roandey hatrany no nitarika tamin’ny isa 62 no ho 58.
Voahosotra ho mpampidi-baolina amin’ny isa telo, be indrindra, tamin’ity “Afrobasket Men U16” ity, i Marco. 35 ny baolina tafidiny tamin’izany.
Voahosotra ho tompondakan’i Afrika kosa ny Voromaherin’i Mali, izay nandavo ny Faraonan’i Egypta, teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa 76 no ho 65. Mpilalao mendrika ilay Malianina, Siriman Kanoute,.
Hiatrika ny fiadiana n ny ho tompondaka eran-tany, hatao amin’ny taona 2018, ireto firenena roa niatrika ny famaranana ireto.
Lasan’i Alzeria kosa ny laharana fahatelo rehefa nandresy an’i Tonizia, tamin’ny isa 57 no ho 54.
Torcelin
Les commentaires sont fermées.