Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Taksiborosy namoa-doza : mpandeha iray namoy ny ainy, 22 naratra mafy

Taksiborosy namoa-doza : mpandeha iray namoy ny ainy, 22 naratra mafy

 Mpandeha miisa 22 indray naratra mafy, raha raim-pianakaviana iray kosa namoy ny ainy vokatry ny lozam-piarakodia tao Moramanga, afakomaly. Ny fahatapahan’ny frein-n’ny fiara no nitarika ny loza…

 

Nivarina tany anaty hantsana eo amin’ny 10 metatra eo ho eo ao Tangaina Moramanga RN 2 ity taksiborosy ity noho ny olana teknika teo amin’ny fiara ka tsy voafehin’ny mpamily intsony. Raim-pianakaviana iray andeha handray fisotroan-dronono ao Moramanga no maty tsy tra-drano, tafavoaka avy ao anatin’ilay taksiborosy ka voatsindry tao ambany fiara. Araka ny fanazavan’ny iray amin’ireo mpandeha niharam-boina, taksiborosy manao fitaterana mampitohy an’Andasibe sy Moramanga ity namoa-doza ity. Teo amin’ny 3 km mialoha ny hidirana an’i Moramanga no nitranga ny loza. Fiara natokana ho an’olona miisa 24 ity fiara taksiborosy ity, saingy efa nihoatra ny 30 mahery miampy entana marobe ny nentiny ka antony iray nanampy trotraka ny fahavoazana ihany koa izany ankoatra ny fahatapahan’ny frein izany. Voalazan’ireo mpandeha hatrany fa hiakatra fiakarana ilay taksiborosy no tapaka tampoka ny frein. Nihemotra ilay fiara ka latsaka avy hatrany tany anaty hantsana. Horakoraka antso vonjy sisa nataon’ireo olona tao anaty fiara. Raikitra ny fifanjevoana nikorapaka ny mpandeha rehetra tao anaty fiara. Tao ny vaky loha, nisy kosa tapa-tanana sy tongotra vokatry ny fivadibadihana tao anaty hantsana.

Potika tsy nisy noraisina intsony ilay fiara. Nifanome tanana ireo mpandeha tamin’ny fivoahana tao anaty fiara. Nalefa ao amin’ny hopitalin’i Moramanga ireo niharam-boina. Vokatry ny gaboraraka sy ny tsy fanarahan-dalàna araka ny voasoratra ao anaty bokin’andraikitra avokoa ny antony mahatonga ny loza toy izao.

J.C

Les commentaires sont fermées.