Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Resaky ny mpitsimpona akotry : fotoana fahavitsian’ny fiara eto Iarivo

Indraindray dia mba misosa tsy manorisory ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra. Na eo aza izany dia mbola misy ihany ny fotoana mampikatso azy toy ireny efa mahazatra ireny ihany. Fomba fiteny ihany moa izay filazana hoe mahazatra izay. Nefa toy ny mikasika ny fihafiana noho ny tsy fahafahana manoatra dia fiaretana amin’ny zava-misy eo amin’ny tsy fisiana fa tsy misy angamba ny fanazaran-tena amin’ny tsy fidiny.

Andeha hiverenana ny tafatafa manodidina ny fifamoivoizana. Samy mahatsapa ny rehetra fa na rehefa vitsy aza ny fiara dia tazana ihany ny fahateren’ny làlana ary indraindray dia mivandravandra koa fa tsy tsara rafitra ny fomba nandaminana ny fizorana amin’ireo arabe maro. Ohatra fotsiny amin’ireny rond-point ngezabe toy ny eo Antanimena. Aty andohan’ny làlana mivarina mankany Ankorondrano dia eo amin’ny fivoahana an’ilay rond-point, mihaona ny fiara sy ny mpandeha an-tongotra miampita. Tsy tafavoaka ny rond-point mankaiza akory koa dia mitandahatra ny taksibe eo amin’ny fijanonany mba hidinana sy hiakaran’ny mpandeha.

Efa miresaka momba ny taksibe ihany, iza no handa ny maha anisan’ny vesatra voalohany mampikatso ny fifamoivoizana ny taksibe ? Nefa kosa vesatra tsy maintsy zakain’

ny rehetra noho ny fanamaivanan’ny fahasahiranan’ny maro eo amin’ny fahafahany mivezivezy toy ny sasany mampiasa ny fiarany manokana. Raha dinihina aza, noho ny olona maro indray taterin’ny tsirairay aminy dia tokony omena vahana manokana izy ireny mialoha ny fiara madinika taingenan’

olom-bitsy. Fandaminana mazava no tokony hametraka fitsipika mifehy izany. Nofinofy angamba izany araky ny fihevitry ny maro. Eto amin’ny tanàna moa tsy miteny firy intsony izany hoe fitsipika izany. Toy ny any amin’ny tany tsy misy fanjakana, ny fanaovana hetraketraka sy amboletra no hany manjaka fa tavela any aoriana izay te hanara-dalàna na izay vonona handefitra. Manomboka avy any amin’ny mpitarika sarety izay manao hitsin-dàlana tsy tahotra tsy henatra ka hatrany amin’ireo olona ambony (ministra sy ny karazany) izay manitsaka fitsipika sy lalàna ampahibemaso isan’andro izao. Ny lalàna moa dia mametraka mazava fa ny filohan’ny andrim-panjakana ihany no hany ialohavana fiara mpisava làlana. Manaja izany ve ireo olona ambony miafina ao ambadiky ny fitaratra maizina manavatsava ny fifamoivoizana amin’ny fanositosehana ny mpampiasa arabe sasany ?

Léo Raz

 

Les commentaires sont fermées.